![]()
Nitohy, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahadimy eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja rugby, karakarain’ny «commission technique fédérale». Ny sokajy «Elite fédérale» avokoa no niakatra kianja, tamin’ity. Anisan’ny nisongadina ny fandresen’ny US Ankadifotsy ny 3F5 Amboditsiry, tamin’ny isa mavesatra 70 no ho 7. Niady ihany ny lalao teo amin’ny tapa-potoana voalohany […]