
Tsy namokatra. Tsy nisy tafavoaka ka nahazo toerana tsaratsara tamin’ireo sokajin-danja nandraisantsika anjara tamin’ny fiadiana ny « Grand Slam de Paris », taranja judo, ireo solontenan’i Madagasikara dimy mianadahy (Ratiarson Asaramanitra, Chan Ling Janeiro, Andrianjakavelo Sandaniaina, Rakotoarivony Royal, Ratsimiziva Fetra). Fifaninanana iraisam-pirenena notanterahina tany Paris, Frantsa, ny faran’ny herinandro teo.
Raha ny vokatra, tsy nisy tafavoaka teo amin’ny fihodinana voalohany izy ireo tamin’izany. Teo amin’ny sokajy -48 kg vehivavy, tsy nahovoka ary resin’ilay teratany hôngroazy, Reka Pupp, i Asaramanitra. Niezaka ny nanohitra ihany ity laharana fahatelo aty Afrika ity, saingy sendra ny mafy izy tamin’izany.
Ho an’i Sandaniaina indray, teo amin’ny sokajy -60 kg lehilahy, resin’ilay mpikatroka avy any Equateur, Lenin Preciado, izy teo amin’ny fihodinana voalohany. Toraka izany koa ny nahazo an’i Janeiro, tsy nahatohitra an’ilay Amerikanina, Adonis Diaz.
Tsy nahovoka an’ilay mpikatroka avy any Moldavie, Valeriu Duminica, ihany koa Ratsimiziva Fetra teo amin’ny sokajy -81 kg. Resy tamin’ny totalin’isa ihany koa Rakotoarivony Royal teo amin’ny sokajy -73 kg.
Tompondaka