
ampiseho ny heriny ireo ekipa misolo tena an’Analamanga amin’ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny « Coupe du Président » ho an’ny Zone Centre, any Toamasina. Tsy mbola nahazoana vaovao kosa aloha, hatreto, ny vokatra ho an’ny Zone Nord, any Antsiranana.
« Coupe du Président ». Miditra amin’ny andiany faharoa io hetsika nasionaly io, nanomboka ny faran’ny herinandro teo hatramin’ny 14 febroary izao, amin’ireo Zones roa, Nord sy Centre.
Ho an’ny Zone Centre, izay tanterahina any Toamasina ny fifanintsanana amin’izao fotoana izao, mbola ireo ekipa solontenan’Analamanga no manjakazaka, hatreto, teo amin’ny andro fahatelon’ny fifanintsanana. Saika nametraka sy nampiseho ny heriny sy ny fahaiza-manaony avokoa ireo ekipa avy amin’ny ligin’Analamanga.
Anisan’ny nisongadina teo amin’ny andro fahatelo, omaly, izao ny Lucadro (Analamanga) izay nandresy ny AS Fanalamanga (Alaotra Mangoro) tamin’ny isa tery, 87 noho 83. Teo koa ny Challenger (Analamanga) nandavo ny Ankarana (Analamanga) tamin’ny isa mazava, 73 noho 47, sns. Fa anisan’ny ekipa manana herijika ihany koa ny Mega (Atsinanana) nanilika ny USBA (Alaotra Mangoro) tamin’ny isa 64 noho 41. Lavon’ny AS BdB (Analanjirofo) tamin’ny isa 79 noho 68 kosa ny Squad (Atsinanana).
Hatreto, mbola miady tanteraka ny fifanintsanana ary samy tsy misy manaiky lembenana ireo ekipa mpandray anjara any amin’ny Zone Centre, misy an’Analamanga, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Analanjirofo.
Marihina mantsy fa mamoaka ekipa roa avy ireo Zones efatra (Nord, Centre, Ouest, Sud) mandray ny fifanintsanana. Izany hoe, miatrika ny « Paly-off » ireo ekipa mitana ny laharana roa voalohany isaky ny Zones. Amin’io kosa no miditra aa-tsehatra ireo ekipa eo amin’ny sokajy N1A lehilahy, mitana ny laharana fahadimy hatramin’ny fahavalo tamin’ny taona 2015.
Miary Narindra