
Tsara fanombohana ny katitakely malagasy eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy, ho an’ny faritra tapany atsimo na ny «Afrique Australe». Saika nahazo fandresena avokoa izy ireo, tamin’izany.
Fandresena sivy, tamin’ireo lalao folo natrehiny no azon’ny ekipa malagasy, teo amin’ny andro voalohany, notanterahina ny asabotsy lasa teo, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Aostraly, ho an’ny taranja tenisy, sokajy zandriny U16. Fihaonana izay tanterahina any Pretoria.
Anisan’ny nahazoana izay vokatra tsara izay, ny teo amin’ny U12 vehivavy, izay nanilihan’i Maholy an’ilay teratany Soazy, Dlamini. Resiny tamin’ny seta 2 noho 0 (6/0 ; 6/0), ity mpifanandrina taminy ity. Ny hany tsy nahita fandresena, tamin’io andro voalohany io dia i Finoana ho an’ny sokajy U12, izay lavon’i O’Connor Can Schalkwyk, tamin’ny seta 2 noho 0 (6/0 ; 6/0).
Tompondaka
Toy izao ireo vokatra rehetra :
U12 vehivavy : Maholy nandresy an’i Dlamini (Soazilande) 6/0 ; 6/0
U12 lehilahy : Finoana resin’i O’Connor Can Schalkwyk 6/0 ; 6/0
U12 lehilahy : Sampras nandresy an’i Michael Happy (Zimbaboe) 6/2 ; 6/3
U14 vehivavy : Mioty nandresy an’i Lissa Yssel (Namibia) 6/2 ; 6/1
U14 vehivavy : Finaritra nandresy an’i Vimbai Moyo (Zimbaboe) 6/1 ; 6/0
U14 lehilahy : Lanja nandresy an’i Lerato Mathibela 6/1 ; 7/6
U14 lehilahy : Toky nandresy an’i Mpaleng Sempe 6/1 ; 6/0
U16 lehilahy : Vahia nandresy an’i Owenkosi Khumalo (Soazilande) 6/0 ; 6/0
U16 lehilahy : Dimitri nandresy an’i Matsamai Lehlohonolo (Lesotho) 6/0 ; 6/1.
U16 vehivavy : Sariaka nandresy an’i Selema Reneilwe (Botsoanà) 6/0 ; 6/0