Quantcast
Channel: NS-Sports – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 11617

Kick-boxing : nakotroka ny fandraisan’i Toliara an’i Severin

$
0
0
severin1101

Tonga tany Toliara, omaly alahady i Mamonjisoa Severin, tompondaka eran-tany amin’ny kick-boxing ISKA Pro, latsaky ny 60 kg. Nafana ary tena nakotroka ny fitsenana ity maherifon’ny firenena ity. Feno vahoaka, nanofahofa ny sainam-pirenena sy ny sarin’i Severin, ny lalana rehetra nalehany, tao an-tampon-tananan’i Toliara.

Sesilany ny vola sy ny fanomezana natolotr’ireo manampahefana sy ny olon-tsotra an’i Severin. Anisan’ireny, ny 10 tapitrisa Ar, natolotr’Andrianasoloniaiko Siteny, izay hividianana fiara ho azy.  Ankoatra izay, nanolotra “cyclopousse”, ho azy ihany koa ity filohan’ny komity olympika Malagasy (Kom) ity.

Tsy nianona tamin’izay fa nanome lelavola mitentinba 2 tapitrisa Ar ho azy koa ny Ben’ny tanànan’i Toliara. Ankoatra izay, nanome ringa ho an’ny taranja kick-boxing, ny vadin’ny lehiben’ny faritra

Ireo mpanakanto tao an-toerana koa dia tsy nanadino an’i Severin, noho ny zava-bitany. Nisy ny “soirée dansante”, natao tao amin’ny Zaza Club ka ny vola rehetra azo, tamin’izany dia natolotra manontolo ho azy.

Nisy koa ireo mpanakanto hafa izay niisa fito, nanao fety ho azy teo amin’ny “jardin de la mère”. Ny masoandro maty no nampalahelo, tamin’ny fitsenana an’i Mamonjisoa Severin.

 Tompondaka


Viewing all articles
Browse latest Browse all 11617