
Tsy mbola votsotra teo am-pelatanan’ny Cnaps Sport, ny amboara maha tompondakan’ny ranomasimbe Indianina azy ireo, eo amin’ny baolina kitra. Lavon’izy ireo, teo amin’ny famaranana, ny ST Paul avy atsy La Réunion.
Nomontsanin’ny Cnaps Sport, tamin’ny isa mazava 5 noho 2 ny ekipan’ny ST Paul, avy atsy La Réunion, nandritra ny lalao famaranana miverina, niadiana ny amboaran’ny ranomasimbe Indianina, taranja baolina kitra. Fihaonana miverina, notontosaina ny asabotsy lasa teo, tao amin’ny kianja Rabemananjara, Boeny.
Mbola voatazon’ny Cnaps Sport, izany ny anaram-boninahitra efa azony, tamin’ny taon-dasa ary fanintelony no nahazoany ity amboaran’ny ranomasimbe Indianina ity. Raha hiverenana kosa ny fizotran’ny fihaonana teo amin’ny roa tonta, lalao tsy niady fa nanjakan’ny Cnaps Sport, hatramin’ny farany. Nisy ihany fotoana, nanoheran’ny Reonione, fa tsy naharitra ela loatra. Nanokatra ny isa i Feno, teo amin’ny minitra faha-12, tamin’ny alalan’ny “penalty”, taorian’ny fahadisoana nataon’ny vodilaharana tamin’i Simouri, tao anatin’ny faritra tsy azo ivalozana. Tsy nijanona teo fa mbola niampy izany, tamin’ny alalan’ny fahaiza-miaraka nataon’i Niasexe sy Njiva izay namono ny baolina, minitra faha-24. Efa tany amin’ny 1 mn tsy hiravana no nampihena ny isa ny ST Paul, rehefa nahatafiditra baolina, Rasolofo Antoine. Isa izay nentin’ny roa tonta niala sasatra.
Nanasahala ny isa ny reonione, 6 mn nanombohan’ny fidirana faharoa. Rasolofo Antoine hatrany no namono izany, taorian’ny tolotra tsara nataon’i Hubert, ho azy. Nihevitra ny rehetra teo fa tsy ho afaka intsony ny Cnaps. Niezaka nandrindra fanafihana, taorian’izay ny Cnaps ka nisesy ny fahombiazana. Nahatafiditr baolina i Njiva (54 mn) avy eo nampian’i Lalaina (71 mn) ary nofaranan’i Njiva (86 mn).
Marihina fa tsy mbola afa-bela tamin’ny Cnaps Sport, ry zareo ST Paul, tamin’ity fihaonana ity.
Tompondaka
Cet article Kitra – «UFFOI 2015» : mpanjakan’ny ranomasimbe Indianina ny Cnaps Sport est apparu en premier sur NewsMada.