
Tontosa ny asabotsy lasa teo, ny fisarihana ireo firenena 24 tafita hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Euro 2016», taranja baolina kitra. Fihaonana izay hotontosaina any Frantsa, ny 10 jona ka hatramin’ny 10 jolay. Anisan’ny azoazo ihany raha ny vondrona misy an’i Frantsa, mpampiantrano ity fihaonana ity. Romania sy Albania ary Soisa mantsy no tafaraka aminy. Soisa ihany, ny mety ho maozatra aminy, araka ny fanadihadian’ny manam-pahaizana, eo amin’ity taranja baolina kitra ity. Ankoatra izay, ny sokajy «D» misy an’i Espaina, tompondakan’i Eoropa farany no vondron’ny fahafatesana. Tafaraka aminy ao mantsy ny Repoblikan’i Tsekoslovakia, ny Torkia ary Kroasia.
Miary Narindra
Toy izao ny vokatry ny fisarihana :
Sokajy “A” : Frantsa ; Romania ; Albania ; Soisa
Sokajy «B» : Angletera ; Rosia ; Pays de Galles ; Slôvakia
Sokajy «C» : Alemaina ; Okraina ; Polonina ; Irlande avaratra
Sokajy «D» : Espaina ; Tsekoslovakia ; Torkia ; Kroasia
Sokajy «E» : Belzika ; Italia ; Irlande ; Soeda
Sokajy «F» : Portiogal ; Islande ; Aotrisy ; Hongrie
Cet article Kitra – «Euro 2016» : azoazo ny vondrona misy an’i Frantsa est apparu en premier sur NewsMada.