Quantcast
Channel: NS-Sports – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 11617

Malagasy Rugby : hatao ny 27 janoary ny fifidianana

$
0
0
????????????????????????????????????

Hiditra amin’ny fiatrehana ny fanavaozana ny eo anivon’ny Malagasy Rugby, amin’ny taona 2017. Ny volana janoary no hanatontosana izany, raha ny tapaky ny Ceni. Hisy fampahafantarana ny fitsipi-dalao amin’izany fifaninanana izany.

Nolazain’i Arnaud Auguste, filohan’ny vaomiera manokana miandraikitra ny fifidianana na ny Ceni, fa ny zoma 27 janoary no tapaka fa hanatanterahina ny fifidianana, eo anivon’ny Malagasy Rugby. Tsy mbola voafaritra kosa ny toerana hanatontosana izany na Antananarivo na Toliara, izay efa nosafidin’ny Ceni.

Omaly, nisy fampiantsoana ireo kandidà nirotsaka amin’izany toerana izany, niresadresahana sy nampahafantarana ny ho fizotry ny fifidianana, ary nihainoana ihany koa ny fanontaniana manitikitika ireo mpilatsaka ho fidiana.

Nomarihiny fa toy ny amin’ny fifidianana rehetra tsy maintsy mandalo fanadihadiana ny antontan-taratasin’ireo kandidà rehetra izay vao avoaka amin’ny fomba ofisialy, ny anaran’izay nahazo fankatoavana.

Nohazavain’ity filohan’ny Ceni fa mbola niandry ny fanendrena azy ireo tamin’ny fomba ofisialy sy manara-dalàna avy amin’ny komity olympika izy ireo, vao afaka nanapa-kevitra. Tafiditra tao anatin’izany ny tsy nahafahana nanatontosa ny fifidianana tamin’ny 21 desambra lasa teo, na dia efa voatondro aza.

Nanamarika, Andriamatoa Arnaud Auguste fa mahaleo-tena tanteraka ny Ceni ary tsy misy afaka mibaiko azy amin’ny asany na iza na iza. Izay hampizotra sy hahavita ny fifidianana amin’ny ara-dalàna eo anivon’ny Malagasy Rugby, ny andraikitr’izy ireo. “Tsy miditra na mitsabaka amin’ny resa-pitsarana ny Ceni. Tokony ho ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanatanjahantena na ny TAS no manapaka sy mamoaka ny didy mahakasika ireo olana iainan’ity taranja rugby ity”, hoy izy.  

 Torcelin


Viewing all articles
Browse latest Browse all 11617