
Natolotry ny ekipan’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, taranja baolina kitra sokajy «vétéran», ho an’ny minisitra ny Controleur Général de Police, Anandra Norbert, ireo amboara azon’izy ireo nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka nasionaly, teo amin’ny lalao iraisan’ny minisitera sy ny andrimpanjakana na ny (Asoimi 2016), natao tany Mahajanga ny volana oktobra lasa teo sy ny nahazoana ihany koa ny amboaran’Analamanga. Ny alarobia 28 desambra lasa teo, nanaovana izany lanonana izany.
Raha tsiahivina, resin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, tamin’ny famaranana ny ekipan’ny fadin-tseranana Toamasina. Fisaorana sy fankasitrahana no nasetrin’Andriamatoa minisitra ny mpilalao rehetra, noho ity zava-bitan’izy ireo ity. Notsiahiviny fa tokony hanara-dalàna hatrany ny polisy mandritra ny fanatanterahana ny lalao toy izao mba ho fitaratry ny olona, mba ho reharehan’ny polisim-pirenena. Nanentana ny tenany mba handray anjara mavitrika amin’ny taranja toy izao ny polisy mba ho mariky ny firaisankina sy fitaizaim-batana ihany koa.
Tompondaka