
Madagasikara avokoa no handray ny lalao hifanatrehan’i Centrafrique sy Barea, eo amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany 2018. Asabotsy ny lalao voalohany ary talata ny fihaonana faharoa.
Notapahin’ny Fifa fa hatao etsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina avokoa ny lalao mandroso sy ny miverina, hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy Centrafrique, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany 2018, tanterahina any Rosia.
Ny asabotsy 10 oktobra ny fihaonana voalohany ka anjaran’i Repoblika Centrafrique izany. Ny talata 13 oktobra kosa ny lalao miverina ka an’ny Malagasy indray izy io. Raha tsiahivina, noho ny fisian’ny ady an-trano sy ny fifamonoana any Bangui, Renivohitry ny Repoblikan’i Centrafrique no namindrana ny lalao.
Nambaran-dRaniry sy Franck, mpanazatra, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, omaly, fa 23 ny mpilalao nalaina hiatrika an’i Centrafrique. 15 amin’ireo avy eto an-toerana ary ny ambiny kosa, mpila ravinahitra.
Nasiam-panovana ny Barea fa tsy ireo niatrika an’i Ogandà akory. Anisan’ireo najanona, raha ny mpilalao eto an-toerana, i Jimmy Simouri sy Damien, nosoloina an’i Florent sy Chrétien. Tsy nantsoin’ny mpanazatra intsony i Baggio sy Zotsara ary Gladison, ho an’ireo avy any ivelany. Tsy namaly ny zavatra notakina taminy ny antony namelana azy ireo, raha ny fanazavan’i Franck. Telo mirahalahy indray no nampidirina dia Ibrahim Amada sy Faneva Imma ary Ferdinand (Dafé), milalao any Frantsa sy Alzeria.
Tompondaka
Ireo mpilalaon’ny Barea :
Mpiandry tsatoby : Leda (Cnaps Sport) ; Chrétien (Adema) ; Bastia (Tana Formation)
Vodilaharana : Tahiana (Cnaps Sport) ; Mamy Gervais (St Pierroise La Réunion) ; Zenith (Ajesaia) ; Tobisoa (Cnaps Sport) ; Tantely (Adema) ; François (Tana Formation) ; Elefoni (Tana Formation)
Irakiraka : Dina (Tana Formation) ; Michael (Cnaps Sport) ; Lanto (Cnaps Sport) ; Abel Anicet (Ludogorets Razgrad Bulgarie) ; Ferdinand (US Tourcoing Frantsa) ; Johann Paul (Etoile FC Fréjus St Raphael Frantsa) ; Amada Ibrahim (ES Sétif Alzeria)
Lohalaharana : Florent (Adema) ; Jeannot (Cnaps Sport) ; Njiva (Cnaps Sport) ; Paulin (CS Constantine Alzeria) ; Carolus (USA Alger Alzeria) ; Faneva (US Créteil Lusitanos Frantsa)