
Vonona. Araka ny efa fantatra, anisan’ireo ekipa efatra misolo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny “Coupe des Clubs Champions de l’Océan Indien” na CCCOI 2015 ny Ascut. Noho izay indrindra, nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ity klioba avy any amin’ny faritra Atsinanana ity, omaly, nampahafantatra ny mombamomba azy sy ny lalana nizorany nanomboka tamin’ny niforonany ary ny tanjony.
Mikasika izany, nanambara izy ireo, manomboka any amin’ireo mpitantana sy ny teknisianina ary ireo mpilalao fa vonona hiaro ny anaram-boninahitra efa azony tamin’ny taona 2013 ny Ascut ary vonona ny handrombaka ny laharana voalohany aty amin’ny ranomasimbe Indianina amin’ity taona ity ka ahafahan’izy ireo miatrika indray ny “Coupe d’Afrique des Clubs Champions” na CACC 2015 any Angola.
Ankoatra izay, nambara ôfisialy ihany koa ny maha klioba goavana azy noho ny fananan’izy ireo ireo sokajy manomboka eo amin’ny U12 hatrany amin’ny “seniors” ary koa ny fananan’izy ireo sokajy zazavavy eo amin’ny U14 sy U16.
Etsy andaniny, nahazo fanohanana sy fiaraha-miasa amin’ny East Academy sy ny Le Carnivore ary ny Global Groupe, sns, ny Ascut. Farany, nahazo reny mpiahy ny klioba amin’ny alalan-dRajaonah Sitraka.
Miary Narindra