Quantcast
Channel: NS-Sports – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 11617

Afrobasket Women U18 : tonga soa any Egypta ny ekipa malagasy

$
0
0
afrobasket2608

Ny alarobia lasa teo, tamin’ny 5 ora maraina no nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidina, ao Le Caire, Renivohitr’i Egypta, ny ekipam-pirenena malagasy zazavavy U18, taranja basikety, hiatrika ny  andiany faha-14 amin’ny “Afrobasket Women”, tanterahina any an-toerana. Raha tsiahivina, ny 27 ka hatramin’ny 4 septambra ho avy izao ny hanatontosana izany.

Salama tsara avokoa ny mpilalao malagasy ary vonona hiatrika ny fifaninanana. Tsy mbola fantatra kosa aloha, hatreto, izay iray sokajy amin’i Madagasikara amin’ity fihaonana ity. Marihina fa ankoatra ireo mpilalao eto an-toerana, misy mpila ravinahitra iray manatevina ny ekipam-pirenena dia Rakotondrainibako Samantha.

Tompondaka


Viewing all articles
Browse latest Browse all 11617