
Raikitra fa hotanterahina, ny alahady 4 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ny tapany atsimon’i Afrika na ny «Afrika Aostraly 2016», eo amin’ny taranja semi-marathon, lahy sy vavy. Io no nambaran’ny federasiona malagasin’ny atletisma (FMA), tamin’ny mpanao gazety, omaly alakamisy. Fifaninanana isan-tarika sy ho an’olon-tokana izy io.
Araka ny fantatra, firenena 14 no indray ho avy hanafika an’i Madagasikara, amin’io. Anisan’ny ho be fiavy ry zareo Afrikanina Tatsimo, izay hitondra atleta miisa 12. Ankoatra izay, efa nanamafy ny fiaviany ihany koa ny Maorisianina sy i Kaomoro. Raha atotaly, eo amin’ny atleta 50 eo ny hiady ity anaram-boninahitra ity.
Ankoatra izay, nanafatra manampahaizana avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena (IAAF), handrefy ny lalana haleha amin’io fifaninanana io, ny federasiona malagasin’ny atletisma. Hanatanteraka izany i Christian Delerue, ka ny alahady maraina mialoha ny fifaninanana, ny handrefesana ny lalana. “Mba hankatoavin’ny IAAF ny fifaninanana ny anton’izany”, hoy Ramanantsoa Norolalao, filohan’ny FMA.
Hisy koa fanomezana fiofanana ho an’ireo teknisianina malagasy hataon’i Christian Delerue. Ankoatra izay, ho avy eto ny filohan’ny komisiona misahana ny ady amin’ny fandraisana fanafody mampatanjaka, hanara-maso ireo mpifaninana.
Izay firenena mahatafiditra atleta telo voalohany no tompondaka eo amin’ny hazakazaka isan-tarika.
Tompondaka
Ny ekipa malagasy lehilahy
1-Hajanirina (Cosfa) ; 2-Fulgence (Crown Vakinankaratra) ; 3-Jean de la Croix (Crown Vakinankaratra) ; 4- Mampitroatry (Cospn Boeny) ; 5- Fikiriza (Cospn Boeny)
Ny ekipa malagasy vehivavy
1-Marinah (Cnaps) ; 2-Nanie Madeleine (3FANS) ; 3- Olivah (Cnaps) ; 4- Landinirina (Cospn Analamanga) ; 5- Fanomezantsoa (Garage Radom)