
Kivy tanteraka i Lionel Messi ka nanambara tamin’ny fomba ofisialy fa tsy hilalao ary tsy hitondra ny akanjobàn’ny ekipam-pirenen’i Arzantina intsony. Ny tsy fahombiazana, teo amin’ny fiadiana ny Copa America, no nahatonga izao fanapahan-keviny izao, izay tsy noeritreretin’ny maro.
Tsiahivina fa resin’i Chili, teo amin’ny famaranana ny alahady lasa teo, i Arzantina. Tamin’ny alalan’ny fandakana ny “tirs au but” 4 noho 2, nahalavo ny Albiceleste, rehefa nisaraka ady sahala 0 noho 0, ny ekipa roa tonta. Tsy mbola afa-bela tamin’i Chili indray izany ry Messi, satria ireo ekipa roa tonta ireo no nanao ny famaranana, tamin’ny taon-dasa. “Tsy natao ho ahy mihitsy ny handrombaka amboara miaraka amin’ny Albiceleste. Faninefany amin’izao no niatrehako famaranana saingy resy hatrany. Efa nanao izay azoko atao aho, ny hitondra amboara mody any Arzantina saingy tsy tontosako mihitsy. Mafy amiko ary henjana ho an’ny ekipa izao fanapahan-kevitra izao, saingy tsy maintsy noraisiko”, hoy izy.
Marihina fa nandrombaka amboara sy anaram-boninahitra betsaka niaraka tamin’ny kliobany ny FC Barcelone, i Messi saingy tsy nahazo na inona na inona kosa tamin’ny Albiceleste. 29 taona i Messi izao tsy hilalao ao amin’ny ekipam-pireneny izao intsony.
Tompondaka