
Mitombo hatrany ny isan’ireo mpanazatra eo amin’ny taranja basikety. Tontosa, ny asabotsy 25 jona teo, tetsy amin’ny foiben-toeran’ny federasiona malagasin’ny basikety (FMBB), eny 67 ha, ny famoahana ny andiany “Santatra” sy fanolorana ny diplaoman’ireo mpanazatra eo amin’ny Young Coach I.
Mpanazatra 26 izy ireo no nanaraka ny fiofanana nanomboka ny 16 avrily hatramin’ny 4 jona teo, teny amin’ny foiben-toeran’ny FMBB. Ny 22 tamin’izy ireo ihany anefa no nahazo ilay diplaoma Youn Coach.
Raha ny fanazavana, niompana tamin’ny resaka sakafo, fitaizana sy fampianarana ireo tanora, fandraisana fanapahan-kevitra, fandrindrana ny fanazarantena, fanomanana ara-batana ireo tanora, sns, ny fiofanana nandritra io fotoana io.
Marihina fa tafiditra anatin’ny fandaharam-potoana federaly ny fampiofanana toy iny namoahana ny andiany “Santatra” teo iny. Ilay manampahaizan’ny federasiona iraisam-pirenena aty Afrika na Fiba Afrique, Razafiarivony Angelot, no nitarika ny fiofanana tamin’izany. Mbola hisy ny fiofanana hafa eo amin’ny taranja basikety.
M.N.