Quantcast
Channel: NS-Sports – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 11617

«Asoimi» : 125 tapitrisa Ar hiatrehana ny fifaninanam-pirenena

$
0
0
Asoimi 1209

Hatao any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany, manomboka ny 24 septambra ka hatramin’ny 4 oktobra, ho avy izao ny fifaninanam-pirenena amin’ny «Asoimi», na ny fifaninanana iraisan’ireo andrimpanjakana sy ny minisitera. «Efa tomombana ny fikarakarana rehetra, vonona hampiantrano izany koa i Vatovavy Fitovinany, saingy miantso fanampiana amin’ny fanjakana izahay, satria betsaka ny vola hoenti-miatrika izany», hoy Randriamiarinarivo Abel.

Mila vola 125 tapitrisa Ar ny fanatontosana ny fihaonana ka anisan’ny tena vesatra amin’izany ny eo amin’ny  kianja hilalaovana sy ny toerana hitobian’ny mpifaninana,  mitentina 78 tapitrisa Ar, miampy ny famatsiana ny jiro sy ny rano mahatratra 25 tapitrisa Ar. Ankoatra ireo, ny fandraisana an-tanana ireo delegasiona ho tonga any an-toerana, hisy olona hatrany amin’ny 120, izay heverina fa handaniana vola 14 tapitrisa Ar.  Raha ny fandaharam-potoana, taranja 15 amin’ireo 16 voalahatra, no hifaninanana sy hiadiana amboara sy medaly, amin’ity andiany faha-15 ity. Nambaran’ny filohan’ny Asoimi fa efa noraisin’ny vadin’ny filoham-pirenena ny fiantohana ny taranja danse sportive. Araka ny fantatra, andrim-panjakana 5 sy minisitera 21 ary sampandraharaha 40 sy faritra 14 no hiatrika ny “Asoimi 2015”.

Hanafana ny hetsika ny tarika Dat’Kotry,  izay zanaky ny faritra ihany. Ny 25 septambra kosa vao hanomboka ny fifaninanana rehetra.

 Miary Narindra


Viewing all articles
Browse latest Browse all 11617