
Hifantoka any Eoropa avokoa ny sain’ny rehetra, amin’ity anio ity, eo amin’ny fiatrehana ny lalao mandroso amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny an’ny Chelsea sy ny Paris St Germain.
Hanomboka, anio, ny lalao ampahavalon-dalana mandroso, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa na ny «Ligue des champions 2016», taranja baolina kitra. Hisantatra izany ny lalaon’ny Chelsea sy ny Paris St Germain. Hampiantrano ny anglisy, ry zareo frantsay amin’ity. Fihaonana hatao ao amin’ny Parc des Princes. Tsy vao izao akory ireto ekipa roa ireto no hihaona amin’ity fifaninanana eoropeanina ity fa fanintelony izao.
Mifampatahotra ny roa tonta satria diso mifankahalala tsara ary nifandimbiasana ny fahazoana fandresena.
Raha tsiahivina, nosakanan’ny PSG, teo amin’ny dingana toy izao, ny lalan’ny Chelsea, izay naharatsy toerana an’i Mourinho ary nitarika ny fanalana azy tamin’ny toerana maha mpanazatra azy mihitsy taty aoriana. Ady sahala 1 sy 1 tany Frantsa, teo amin’ny lalao mandroso ary 2 sy 2 kosa tany Stamford Bridge, ka nihintsana ny Chelsea. Hiendrika famaranana kely mihitsy ny an’ny roa tonta amin’ity. Betsaka ny milaza fa mbola ho afaka ny Parizianina. Tombanan’ireo olona hafa kosa anefa fa tsy ho tafavoaka ny Frantsay amin’ity satria efa niova mihitsy ny zava-misy, amin’izao. Ny mpanazatran-dry zareo Anglisy rahateo, efa niova.
Ankoatra izay, tsy afaka hilalao ao amin’ny Paris St Germain, ilay Ivoarianina, Serge Aurier, noho ny sazy mahazo azy. Niteny ratsy an’i Laurent Blanc, mpanazatra, sy ireo mpilalao miaraka aminy mantsy ny lehilahy, ka voatery nosazina.
Ankoatra ity fihaonana ity, hifanazava ihany koa ny Benfica de Lisbonne sy ny Zenit St Petersbourg.
Tompondaka