Quantcast
Channel: NS-Sports – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 11617

Tratry ny famoizam-po…. : maty nananton-tena i Bob Kely, mpilalaon’ny Barea

$
0
0
ventreTARATRA

 Nivarahontsana ary sanganehana tanteraka izay naheno ny vaovao. Maty nananton-tena, tao an-tranony,  eny Ivandry i Bob Kely, mpilalaon’ny Barea de Madagascar. Voalaza fa noho ny famoizam-po, fahakiviana noho tsy fikarakarana azy, tao anatin’ny aretiny, no anton’izany.

 

Hatairana ny an’ny fianakaviana sy ny mpiara-monina ary indrindra, ny tontolon’ny baolina kitra fa nodimandry i Njilamanana Yvon (Bob Kely), mpilalaon’ny Barea. Ny zoma alina hifoha asabotsy izy no maty, ary fahafatesana hafahafa ny nahazo azy. Famonoan-tena, satria nananton-tena, tamin’ny tady tao an’efitranony i Bob Kely. Araka ny tati-baovao, nahagaga ny manodidina ny tsy mbola nisokafan’ny varavarankeliny ny asabotsy, tokony ho tamin’ny 1 ora tolakandro. Nandondona tao an-tranony ireo havany sy ny manodidina, saingy tsy nisy namaly. Ny rehetra anefa tsy mbola nisy nahita azy nivoaka ny trano. Hany ka voatery nopitsohina ny varavarana nizahana izay tena zava-misy. Nojerena? tsy tazana teo am-pandriana izy. I Bob Kely mihantona amin’ny tady teo an-tsisin-drindrina no hitan’ny olona.

Voalazan’ireo akaiky azy fa toa nitaraina nanana olana i Bob Kely, tao ho ao, saingy tsy nety nilaza mihintsy izay mahazo azy, izy. Na izany aza, mbola niaraka nilalao baolina tamin’ireo namany izy, herinandro lasa izay, ary tsy nahatazanana na inona na inona mihitsy, teny amin’ny endriny, tamin’izany. Mbola nankahery ny mpiara-milalao aminy aza izy.

 

Tsy mizara alahelo izy

Olona tsotra, tsy be resaka loatra i Bob Kely, na eny ambony kianja na eny amin’ny fiarahamonina. Tsy hita eny aminy mihitsy ny endrika malahelo na faly fa mitovy hatrany ny fahitana azy. Hita sy tsapan’ny rehetra miaraka aminy kosa anefa fa manana olana ihany izy. Anisan’izany ny aretina nahazo azy, ka nahatonga an’i Bob Kely tsy nanohy nilalao tao amin’ny Elgeco Plus intsony. Araka ny fitantaran’ireo olona akaiky azy, toa tsy niraharaha azy tao anatin’izany aretina nahazo azy izany io kliobany io, ka nitarika aretin-tsaina sy fahakiviana teo aminy. Izy rahateo, kamboty ka tsy afaka nanampy azy araka ny tokony ho izy ny fianakaviana, satria taizan-drenibe i Bob Kely.

Mahonena ny toe-javatra toy izao, ary tokony hojeren’ny fitondrana sy ny federasiona sy ny ligy ny mba hikarakarana ny fiafaran’ny mpilalao na atleta, mba tsy hahatonga famoizam-po sy famonoan-tena toy izao. Tsy hoe rehefa ao anatin’ny tanjany sy ny fahaizany ihany izy ireo no karakaraina fa hotsinjovina ihany koa ny fiafarany.

30 taona i Bob Kely izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Mpilalao novolavolaina tao amin’ny EPN, avy eo tao amin’ny Adema sy ny Japan Actuel’s ary Elgeco Plus, ny farany. Efa nahazo ny amboaran’ny filoham-pirenena, sokajy U17, niaraka tamin’ny ekipan’Analamanga. Efa tao anatin’ny Barea U20, izay niatrika ny Cosafa Cup, izy. Rahalahin’i Hery, mpilalao rugby n’ny Cosfa i Bob Kely.

Alevina ny alarobia ho avy izao, i Bob Kely. Izahay eto amin’ny Gazety Taratra dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany.

 Tompondaka


Viewing all articles
Browse latest Browse all 11617