Quantcast
Channel: NS-Sports – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 11617

Kitra – «Chan 2016» : «Tirs au but» vao afaka ny RD Kongo

$
0
0
chan0502

Tafita hiatrika ny famaranana, amin’ny andiany fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Chan 2016), taranja baolina kitra, ny Leopard avy any amin’ny RD Kongo. Resiny, teo amin’ny manasa-dalana, tamin’ny alalan’ny fandakana ny «tirs au but», 5 noho 4, ny Syli Nacional avy any Ginea, ny alarobia lasa teo.

Anisan’ny nanavotra ny Kongoley, i Ley Matampi, mpiandry tsatoby. Betsaka manko ny baolina navotany, tamin’ity lalao ity, na tao anatin’ny 90 mn sy ny fanalavam-potoana, indrindra moa fa ny teo amin’ny fandakana ny “tirs au but”.

Tamin’ny ankapobeny, niady ny fihaonana teo amin’ny roa tonta, na nanantombo tamin’ny fanafihana aza ny Kongoley, izay hita fa ambony kokoa ny fahaizany, raha oharina tamin-dry zareo Gineana. Samy tsy nisy nitoko ny roa tonta tao anatin’ny fe-potoana ara-dalàna ary teo amin’ny fanalavam-potoana vao samy namono baolina avy, ny andaniny sy ny ankilany. Nitoko voalohany ny Kongoley, teo amin’ny minitra faha-102, tamin’ny alalan’i Bolingi, ary efa tany amin’ny 121 mn vao nahasahala ny isa i Sankhoun.

Nitavozavoza tamin’ny fandakana ny «tirs au but » ny Gineanina, ka tapitra hatreo ny lalany, ho an’ny (Chan 2016). Ny fiadiana ny medaly alimo sisa andrandrain’izy ireo.

Voahosotra ho mpilalao mendrika, tamin’ity lalao ankatoky ny famaranana ity, i Ley Matampi.

 Miary Narindra


Viewing all articles
Browse latest Browse all 11617