Quantcast
Channel: NS-Sports – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 11617

Kitra : tsy mbola afa-bela ny AS Adema

$
0
0
cnaps0202

Norombahin’ny Cnaps Sport ny “Tournoi Fanantenana”, notanterahina tany Matsiatra Ambony, izay nifarana ny alahady lasa teo. Teo amin’ny fihaonana farany, lavon’ny ekipa tompondakan’i Madagasikara, tamin’ny isa tokana 1 noho 0 ny AS Adema, tompon’ny amboara.

Tsy mbola afa-bela, tamin’ny Cnaps Sport, indray izany ny Adema teto, izay efa nihaona nandritra ny famaranana niadiana ny amboaran’i Madagasikara. Fihaonana natao tao amin’ny kianjan’Ampasambazaha, ny volana novambra, tamin’ny taon-dasa.

Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fanomanantenan’ireo klioba roa ireo, eo amin’ny fiatrehana ny fifaninanana afrikanina, ity “Tournoi Fanantenana” ity. Fotoana ihany koa nahazoan’ireo mpanazatra nanitsy ny tsy mety, mialoha izany lalao izany.

Nandritra ity lalao ity koa, nitsapa ireo mpilalao nantsoina hanatevina ny ekipa. Mbola manana roa herinandro izy ireo, hanomanana farany. Raha tsiahivina, ny asabotsy 13 febroary no hiatrika ny lalao mandroso ireo ekipa malagasy ireo ka ny Cnaps, hihaona amin’ny Gor Mahia, any Kenya, ary Adema, hifandona amin’ny Harare FC, any Zimbaboe.

Raha tsy misy ny fiovana, mety mbola hiatrika lalao sedra farany ny Adema sy ny Cnaps Sport, mialoha ny hisidinany, any amin’ireo firenena roa ireo.

 Tompondaka


Viewing all articles
Browse latest Browse all 11617

Trending Articles


Girasoles para colorear


mayabang Quotes, Torpe Quotes, tanga Quotes


Tagalog Quotes About Crush – Tagalog Love Quotes


OFW quotes : Pinoy Tagalog Quotes


Long Distance Relationship Tagalog Love Quotes


Tagalog Quotes To Move on and More Love Love Love Quotes


5 Tagalog Relationship Rules


Best Crush Tagalog Quotes And Sayings 2017


Re:Mutton Pies (lleechef)


FORECLOSURE OF REAL ESTATE MORTGAGE


Sapos para colorear


tagalog love Quotes – Tiwala Quotes


Break up Quotes Tagalog Love Quote – Broken Hearted Quotes Tagalog


Patama Quotes : Tagalog Inspirational Quotes


Pamatay na Banat and Mga Patama Love Quotes


Tagalog Long Distance Relationship Love Quotes


BARKADA TAGALOG QUOTES


“BAHAY KUBO HUGOT”


Vimeo 10.7.0 by Vimeo.com, Inc.


Vimeo 10.7.1 by Vimeo.com, Inc.