
Niady ny fihaonana. Tontosa, ny faran’ny herinandro teo, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny Fiba 3×3. Ekipa telo kosa no nivoaka ho tompondaka tamin’izany.
ASCB, TMS, BC4. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny Fiba 3×3 ireo ekipa telo ireo. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny kianja mitafo Mahamasina, mantsy ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny Fiba 3×3, taranja basikety lalaovin’olon-telo.
Teo amin’ny sokajy +18 taona, norombahin’ny ASCB, avy amin’ny ligin’i Boeny, ny lelavola 500.000 Ar avy amin’ny orinasa Telma, mpanohana ny basikety malagasy, sy ny amboara rehefa nandavo ny Cosfa, avy amin’ny ligin’Analamanga, tamin’ny isa 22 noho 9 izy ireo. Tsy nahatohitra ny ASCB, nisy an’i Bila, Elie sy Livio ary Ahmed, ny Cosfa, nisy an-dry Stevel, nandritra iny famaranana iny. Niezaka ny nanohitra ihany ity ekipa farany, saingy nanantombo teo amin’ny fahaiza-miaraka sy ny taktika ary ny teknika ny ASCB.
Teo amin’ny U18 indray, lasan’ny TMS ny vola 250.000 Ar sy ny amboara rehefa nanilika ny DJR tamin’ny isa 21 noho 18. Niady ny fihaonan’ny roa tonta tamin’izany ary nifanenjika hatrany ny isa.
Ho an’ny sokajy vehivavy, tsy nampoizina ny vokatra. Novizanin’ny BC4 tamin’ny moka fohy, 19 noho 18, ny JCSA, teo amin’ny famaranana. Niady tanteraka ihany koa ny fihaonan’ny roa tonta ary samy tsy nisy nanaiky lembenana na ny andaniny na ny ankilany fa samy nanao izay ho afany avokoa. Voa tamin’ny kely foana ny JCSA tamin’izany.
Ankoatra izay, norombahin’i Jhonn kosa indray ny fifaninanana “dunk” raha i Nante no nahazo ny “tir”.
Etsy andaniny, na sambany aza ny nikarakaran’ny federasion’ny basikety (FMBB) niaraka tamin’ny kaomisiona mpikarakara ny Fiba 3×3 misy an-dRasaony Pascal sy Randrianarisoa Rina ary Rabenjamina Fanja, nizotra am-pilaminana ny fifaninanana.
Raha ny fanazavana, mila mikarakara hetsika ofisialy farafahakeliny telo amin’ny Fiba 3×3 isika vao mahazo fankatoavana avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena aty Afrika na Fiba Afrika ka afaka miatrika fifaninanana iraisam-pirenena.
Miary Narindra