
Mandalo fotoan-tsarotra ny taranja Tae-kwon-do WTF ankehitriny. Vaky mantsy ny ady eo amin’ny federasiona sy ny minisiteran’ny Fanatanjahantena (MJS). Tsy nankatoavin’ny minisitera mpiahy mantsy ny fivoriambe tsy ara-potoana nataon’ny federasiona, ny talata lasa teo. Ireo ligim-paritra miisa 7 amin’ny 9 mandrafitra ny federasiona no nangataka izany, noho ny fisian’ny olana misy eo amin’ny mpikambana sasany, amin’ny mpitantana ny filohan’ny federasioana.
Nivoaka ny efitrano ny solontenan’ny minisitera, noho ny tsy fananan’ireo filohan’ny ligy taratasy maha ara-dalàna azy ireo. Nilaza kosa nefa ireo filohan’ny ligy fa efa any amin’ny minisitera izany, taorian’ny fahavitan’ny fifidianana ny 20 oktobra 2014, fa tsy any amin’izy ireo intsony. Na teo aza izany, nizotra ary tontosa soa aman-tsara ihany ny fivoriambe. Nanambara ny filohan’ny federasiona fa taranja olympika, manana ny sata iraisam-pirenena ary ankatoavin’ny federasiona iraisam-pirenena, ka tsy tokony hanaovan’ny minisitera antsojay, toy izao.
Ankoatra izay, io fotoana io ihany koa no nanaovana latsa-batom-pitokisana, tamin’ireo mpikambana sasantsasany ao anatin’ny komity mpitantana. Voatana eo amin’ny toerany ny filohan’ny federasiona sy ireo mpanolotsaina fa tsy nahazo fitokisana tamin’ireo ligy kosa ny sekretera jeneraly, ny mpitam-bola sy ny filoha lefitra ary ny tale teknika nasionaly. Araka ny fantatra, amin’ny fivoriamben’ny federasiona, izay hatao mialoha ny faran’ny taona, no hanavaozana ireo mpikambana tsy nahazo fitokisan’ny ligy.
Fa tontosa omaly ihany koa ny famaranana, ny fiofanana, nataon’i Yeong Kyun Shin, manampahaizana koreana tatsimo, 7e dan kukkion, ho an’ireo “maître de salle”, miisa 21 mianadahy.
Tompondaka
Cet article Tae-kwon-do WTF : vaky ny adin’ny federasiona sy ny MJS est apparu en premier sur NewsMada.