![]()
Tsy mbola kivy. Nirava sahala 1 no 1 ny fihaonana teo amin’ny Cnaps Sport sy ny CRD Libolo avy any Angola, teny amin’ny kianjan’i Vontovorona ny asabotsy teo. Lalao tovana tafiditra amin’ny 1/16-n-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf. Nampiditra ny baolina voalohany ny Angoley tamin’ny alalan’i Boukama Kaya (67mn), rehefa nifampiandry ny vodilaharan’ny Cnaps. […]