
Tsy mbola mifarana eo. Nampiaka-peo ary vonona handeha lavidavitra kokoa ireo mpisehatra eo amin’ny taranja rugby manoloana ny fifidianana hatao ato ho ato. Tonga amin’ny fampitandremana mihitsy izany.
Nahitsy tanteraka ireo mpisehatra eo amin’ny lavalava, ahitana ny mpitarika sy mpitantana, teknisianina, mpilalao ary mpankafy. « Mitaky amin’ny minisitera izahay mba handray ny andraikiny satria tena efa tafahoatra loatra ny tsy fandraisana andraikitra manoloana ny fifidianana ny ho filohan’ny Malagasy Rugby », hoy izy ireo tetsy Tsaralalàna. Notanisain’izy ireo ho olana ny momba ny andinin-dalàna mifehy ny fifidianana efa naaton’ny fitsarana noho ny fanitsiana natao nefa mbola haverina hanaovana ny fifidianana ihany. Eo koa ny tokony hampiatoana, araka izany, ny birao mpikarakaraka ny fifidianana. Tsy vitan’izany koa. « Notendren’ny filohan’ny federasiona am-pierinasa ny birao mitantana ny fifidianana nefa tokony anjaran’ny fivoriambe tsy ara-potoana ny manendry izany. Ny filoha anefa, sady kandidà », hoy ihany izy ireo.
Tsy hipetra-potsiny ny mpisehatra…
Nanterin’izy ireo fa tsy andraikitry ny mpitantana fifidianana ny manaisotra na manala kandidà an-daharana. « Mbola ny fivoriambe ihany no afaka manao izany… Nisy fiantsoana fivoriana nataon’ny birao manomana ny fifidianana koa, nefa mbola nailika ny kandidà iray... », hoy izy ireo. Manoloana izany, nilaza ny tsy hipetra-potsiny ireto mpisehatra eo amin’ny rugby ireto. « Horaisinay ny andraikitra rehefa tsy hanao izany ny minisitera. Tsy hanakorontana izahay fa hanao hetsika am-pilaminana mba hamerenana ny ara-dalàna eo anivon’ity taranja ity », hoy ireto mpisehatra ireto.
Araka izany, ho tonga hatraiza ny raharaha ? Andrasana koa ny ho valin-kafatry ny mpikarakara ny fifidianana sy ny mpitantana ny federasiona am-perinasa.
Synèse R.