
Araka ny feo miely, misy miketrika sy manomana ny hanilihana ary hanintsanana kandidà iray amin’ny fifidianana ny ho filohan’ny Malagasy Rugby ny eo anivon’ny mpikarakara ny fifidianana sy ny mpitarika sasany amperinasa. Voalaza fa anisan’ny anton’izany ny tahotry ny sasany io kandidà iray io, ka mahatonga azy ireo hiditra amin’ny lalao maloto tahaka izany.
Etsy andaniny anefa, nilaza ny tsy hanaiky ary tsy hilefitra manoloana izany ireo filoha sy mpitarika klioba eto Antananarivo. “Tsy azo ekena ny fanilihana kandidà na koa ny fanaovana tsikombakomba ratsy amin’io fifidianana io”, hoy ny sasany amin’izy ireo. Mitaky fifidianana madio, andraisan’ny rehetra anjara ireto avy amin’ny klioba ireto ary nilaza ny tsy hipetra-potsiny raha tonga amin’izany ity indray mitoraka ity. Ho azy ireo, fanapoizinana ity fanatanjahantena ankafizin’ny maro ity izany fihetsika izany.
Hiditra an-tsehatra ny minisiteran’ny Fanatanjahantena
Na izany aza, naneho fahavonona ny handray andraikitra ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena ka handamina sy hijery akaiky ny momba izany. Handray sy hihaona amin’ireo mpitarika klioba ny minisitra Andriamosarisoa Jean Anicet, anio, etsy Ambohijatovo. Andrasana ny ho vokatry ny fihaonana.
Tsiahivina fa hotanterahina ny 27 janoary izao ny fifidianana ny ho filohan’ny Malagasy Rugby. Efatra ireo kandidà ka anisan’izany, Rakotonirina Herilalaina Alain, Rakotomalala Marcel, Rakotomalala Fenohasina ary Santoni Ismael.
Synèse R.