Quantcast
Channel: NS-Sports – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 11617

Tenisy – «Wilson Open 2016» : nanao pao-droa Rasolondrazana Jacob

$
0
0
tenisy2012

 Anjakan’ilay Malagasy, Rasolondrazana Jacob,  ny fifaninanana tenisy tanterahina atsy amin’ny Nosy Maorisy. Norombahiny indray mantsy ny “Wilson open 2016”, “tournoi” mamarana ny fihaonana, atsy Maorisy.

 

Nanao pao-droa, Rasolondrazana Jacob teo amin’ny fiadiana ny amboara «Wilson open 2016 », taranja tenisy. Fifaninanana notanterahina tao amin’ny Petit-camp Maorisy, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nanjakan’i Jacob tanteraka ny lalao izay adin’ny samy Malagasy ny famaranana, teo amin’ny olo tokana. Seta 2 noho 1 (6/3 ; 6/7 (5) , 6/1) ny nandreseny an-dRandriamanantsoa Jean-Richard. Tsy vao izao akory izy mirahalahy ireto no nihaona fa efa imbetsaka ary matetika, tsy afa-bela amin’i Jacob i Jean-Richard.

Mbola lasan’i Jacob ihany koa ny lalaon’olon-droa, izay niarahany tamin’i Rambojun Hemanshu. Lavon’izy mirahalahy ireo tamin’ny seta 2 noho 0 (6/4 ; 7/5) Randriamanantsoa Jean-Richard sy i Kwok Yin Siong Yen Anthony.

Azo lazaina dia nanjakan’i Jacob avokoa, araka izany, ny tenisy atsy Maorisy satria lasany avokoa ny fandresena tamin’ireo fifaninanana rehetra natao tany an-toerana, tamin’ity taona ity. Marihina fa fifaninanana manakatona ny taom-pilalaovana atsy Maorisy ny “Wilson open 2016”.

Teo amin’ny vehivavy, nahazo ny voalohany i Amélie Boy, rehefa nandresy an’i Sarah Introcaso, tamin’ny seta 2 noho 0 (6/4 ; 6/4). Tsiahivina fa nanilika an’i Astrid Tixier, laharana voalohany atsy Maorisy, i Amélie.

Ankoatra izay, ho an’ireo mpilalao zandriny eto Madagasikara, efa eo am-panomanana ireo hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Aostraly, sokajy U14 sy U16 lahy sy vavy, tanterahina any Windhoek Namibia, ny 9 ka hatramin’ny 18 janoary 2017, ny federasiona malagasy.

 Torcelin


Viewing all articles
Browse latest Browse all 11617

Trending Articles


Girasoles para colorear


mayabang Quotes, Torpe Quotes, tanga Quotes


Tagalog Quotes About Crush – Tagalog Love Quotes


OFW quotes : Pinoy Tagalog Quotes


Long Distance Relationship Tagalog Love Quotes


Tagalog Quotes To Move on and More Love Love Love Quotes


5 Tagalog Relationship Rules


Best Crush Tagalog Quotes And Sayings 2017


Re:Mutton Pies (lleechef)


FORECLOSURE OF REAL ESTATE MORTGAGE


Sapos para colorear


tagalog love Quotes – Tiwala Quotes


Break up Quotes Tagalog Love Quote – Broken Hearted Quotes Tagalog


Patama Quotes : Tagalog Inspirational Quotes


Pamatay na Banat and Mga Patama Love Quotes


Tagalog Long Distance Relationship Love Quotes


BARKADA TAGALOG QUOTES


“BAHAY KUBO HUGOT”


Vimeo 10.7.0 by Vimeo.com, Inc.


Vimeo 10.7.1 by Vimeo.com, Inc.