
Tsy mbola nisy ohatra ity, hatramin’izay, nisian’ny fiadiana ny amboara eran-tany, amin’ny rugby. Nihintsana teo amin’ny fihodinana voalohany, mantsy i Angletera, firenena mpampiantrano. Resin’ny Wallabies, avy any Aostralia mantsy ny XV de la Rose Anglisy, teo amin’ny andro fahatelo amin’ny fifanintsanana tao amin’ny vondrona “A”.
Tamin’ny isa mazava, 33 noho 13, ny nisarahan’ny roa tonta, ny asabotsy lasa teo, tao amin’ny kianja Londres. Tsy nahatohitra mihitsy ny Anglisy, nandritra ny 80 mn nilalaovana. Raha ny tantara mantsy, any amin’ny manasa-dalana na ampehafa-dalana vao mba mihintsana, ny firenena mpampiantrano.
Niteraka resa-be tokoa, manerana izao tontolo izao, iny fahalavoan’ny XV de la Rose iny. Anisan’ny naneho ny alahelony i Rob Andrew, mpilalao fahiny, tao amin’ny XV de la Rose.
Ankoatra izay, nahazo ny fandresena fanindroany ho azy, ny Springboks avy atsy Afrika Atsimo. Resin-dry zalahy, tamin’ny isa 34 noho 16 ny Ekosey ary Japon nanilika ny Samoa, 26 noho 5.
Hiato kely indray ny fifaninanana ary rahampitso indray vao hitohy. Lalao roa no voalahatra amin’izany dia ny fihaonan’ny Fidji sy Orogoay, ho an’ny vondrona “A” ary ny fikatrohan’i Romania sy Kanadà, ao amin’ny sokajy “D”.
Miary Narindra