
Efa nankatoavin’ny kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (Caf) ny hampiantranoan’i Madagasikara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2017), ho an’ny sokajy zandriny U17.
Tapaka, nandritra ny fivoriamben’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf), natao tany Le Caire, Egypta ny herinandro lasa teo, fa hatao eto Madagasikara ny 2 – 16 avrily ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can), ho an’ny sokajy U17. Mety hiteraka fahasahiranana ho an’ny mpandray anjara io fotoana io satria ao anatin’ny fotoam-pahavaratra tanteraka ny eto Madagasikara. Tokony hangataka fanemorana iray volana ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ny fitondrana Kianja, satria ny volana mey vao afaka izany orana izany.
Ankoatra izay, fantatra fa kianja roa : ny eo Mahamasina sy ny eny Vontovorona ny handraisana ireo lalao rehetra. Efa nandalo teto amintsika ireo tomponandraikitry ny Caf nijery ifotony ireo kianja ireo, saingy mbola hiverina amin’ny volana janoary ary hanapaka na afaka mandray ireo lalao ireo na tsia ny fotodrafitrasa misy. Raha ny zava-misy, nanome toromarika izy ireo fa betsaka ny zavatra amboarina ao Mahamasina, toy ny efitra ho an’ny mpanao gazety, ny trano fisoloana akanjo sy ny toetry ny bozaka.
Mandra-piandry izany, efa fantatra avokoa ireo daty hiatrehana ireo fifaninanana rehetra ho an’ny taona 2017, eo anivon’ny Caf.
Voatazona i Gabon
Na eo aza ny toe-draharaha ara-politika manakorontana an’i Gabon, tsy miova ny “Can 2017” fa atao any an-toerana ihany ny 14 janoary – 5 febroary. Hanomboka amin’ny 20 marsa kosa ny fifanintsanana ho an’ny “Can 2019” ary ny 20 avrily ny an’ny Chan na ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy mpila ravinahitra.
Any Zambia kosa ny hanatontosana ny Can ho an’ny sokajy U20, ny 26 febroary – 12 marsa.
Ny lalao savaranonando ho an’ny ekipa tompondaka sy ny tompon’ny amboara kosa, hanomboka ny 10 febroary ary kasaina hatao ny volana oktobra sy novambra ny famaranana. Ny 13 – 15 febroary 2017 kosa ny an’ny “super coupe 2016”.
Tompondaka