
Araka ny daty notondroin’ny Unesco, rahampitso talata 20 septambra ny hankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena ho an’ny anjerimanontolo na ny «sport universitaire». Anisan’ireo firenena hanatanteraka izany i Madagasikara, izay sambany ary voalohany eo amin’ny tantara. Eny amn’ny oniversiten’Ankatso no hanatontosana azy ity.
Araka izany, hisy hetsika maro entina mankalaza io fotoana io. Anisan’izany, ny fifaninanana ara-panatanjahantena ka basikety sy basikety ho an’ny olona manana fahasembanana ny hifaninanana amin’ity. Ity farany izay fangatahan’ny Unesco manokana mihitsy ny hanaovana azy.
Ankoatra izay, hisy ny fihaonana ara-kolontsaina toy ny fanehoana dihy nentim-paharazana, amin’ny faritra maro eto Madagasikara. Marihina fa handray anjara amin’ity fankalazana ity avokoa ireo oniversite rehetra eto Madagasikara.
Torcelin