
Noraofin’i Afrika Atsimo avokoa ny amboara sy ny medaly volamena, teo amin’ny fiadiana ho tompondaka ho an’ny faritra tapan’i Afrika na ny «Afrique Australe 2016», teo amin’ny semi-marathon. Fifaninanana, notanterahina teto Madagasikara, omaly alahady. Hita ny traikefa sy ny tanjaka ananan’izy ireo. Hain’izy ireo tsara ny nandrindra ny hazakazaka hatrany am-boalohany ka hatrany amin’ny farany.
Nanjakan-dry zareo tanteraka ny hazakazaka ho an’olon-tokana, vehivavy sy lehilahy ary koa ny teo amin’ny isan-tarika. Afrikanina Tatsimo avokoa no telo tonga voalohany, tamin’izany. I Manja David, nahazo ny medaly volamena teo amin’ny lehilahy, izay nahatontosa ny halavirana 21, 095 km, tao anatin’ny fe-potoana 1 ora 04 mn 22 s. I Mabona Liziwe kosa ny teo amin’ny vehivavy, izay nahavita ny hazakazany tao anatin’ny 1 ora 21 mn 13 s. Izay kely isa indrindra kosa no voalohany teo amin’ny isan-tarika ka mbola ry zareo hatrany ny nahazo izany. Nanana isa 6 izy ireo ary 16 kosa ny an’i Madagasikara, lehilahy, raha 18 ny an’ny vehivavy malagasy.
Torcelin
Vokatra ho an’olon-tokana lehilahy :
1-Manja David – (Afrika Atsimo) – 1 ora 4 mn 22 s
2-Mathiba Philemon – (Afrika Atsimo) – 1 ora 04 mn 30 s
3-Mmone Joel – (Afrika Atsimo) – 1 ora 04 mn 34 s
Vokatra ho an’olon-tokana vehivavy :
1-Mabuna Liziwe – (Afrika Atsimo) – 1 ora 21 mn 13 s
2-Dlamini Jenet – (Afrika Atsimo) – 1 ora 21 mn 59 s
3-Shipalana Kataza – (Afrika Atsimo) – 1 ora 22 mn 59 s
Vokatra isan-tarika lehilahy :
1-Manja David ; Mathiba Philemon ; Mmone Joel – (Afrika Atsimo) – Isa 6
2-Fulgence ; Haja Nirina ; Mampitroatsy – (Madagasikara) – Isa 16
Vokatra isan-tarika vehivavy :
1-Mabuna Liziwe ; Dlamini Jenet ; Shipalana Kataza – (Afrika Atsimo) – Isa 6
2-Marina ; Oliva ; Nanie – (Madagasikara) – Isa 18