
Manana solontena hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika isan-tarika, taranja tenisy, ny Malagasy. Hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany i Sampras, tompondakan’i Madagasikara.
Hotanterahina any amin’ny Tennis Club de Moundir ao Casablanca, Maraoka, ny 29 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipa isan-tarika, sokajy U12. Manana solontena amin’izany i Madagasikara amin’ny alalan-dRakondrainibe Sampras. Io maraina io izy no nanainga ary hihazo an’i Maraoka. Hiaraka aminy ao anatin’ity ekipa ity ilay Afrikanina Tatsimo, Devon Badenhorst, sy ilay Namibianina, Connor Van Schalkwyk.
Raha tsiahivina ny fahazoany ny laharana fahatelo azony, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’olon-tokana, natao tany Pretoria, Afrika Atsimo, ny volana janoaray lasa teo, ny nahatafiditra azy ao anatin’ny ekipa. Tsy manana solontena amin’izany kosa ny tovovavy malagasy satria resy teo amin’ny ampahefa-dalana, nandritra ny lalao ho an’olon-tokana i Safidisoa Nomenjanahary.
Mialoha ny fihaonana, mbola hisy ny fiofanana omen’ireo manampahaizana avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena (ITF), ho an’ireo mpandray anjara rehetra, ny 24 ka hatramin’ny 28 aogositra ho avy izao. Hitiliana ny talentan’izy ireo ny anton’izany ka mety hahafahana mampiditra azy ao amin’ilay ivontoerana ao Casablanca.
Lalao ho an’olon-tokana telo sy ho an’olon-droa iray no atao ka raha sahala ny fandresena, ny “goal average” no hamaritra izay mpandresy.
Anisan’ireo firenena hiady ity anaram-boninahitra ity koa i Afrika Avaratra sy Atsinanana ary i Afrika Afovoany sy Andrefana mitambatra.
Tompondaka