Quantcast
Channel: NS-Sports – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 11617

Tenisy – «Coupe Davis Afrique 2016» : tafakatra sokajy faharoa i Madagasikara

$
0
0
Tenisy 1807

 Tratra ny tanjona ho an’i Madagasikara, eo amin’ny fiadiana ny «Coupe Davis Afrique 2016». Tafakatra ao amin’ny sokajy faharoa ny Malagasy, eo amin’ny taranja tenisy, lehilahy.

Herintaona aty aoriana, tafaverina ao anaty sokajy faharoa, iarahan’i Afrika sy Eoropa, amin’ny «Coupe Davis», taranja tenisy indray i Madagasikara sy ny ekipam-pirenena malagasy, lehilahy. Nahavita dingana goavana ny malagasy, nandritra ny fifanintsanana ho an’ny sokajy fahatelo, natao teny amin’ny kianjan’Ankatso, izay nifarana ny asabotsy lasa teo.

Ny fandresen’i Madagasikara an’i Namibia, tamin’ny isa 2 noho 0, teo amin’ny manasa-dalana no nahazoana ny tapakila hiakarana ao anatin’ny vondrona faharoa, amin’ny taona 2017.  Fandresena azon-dRakotohasy Jean-Jacques (Zaka kely), tamin’ny seta 2 noho 0, nanoloana an’i Jean Erasmus. (6/1 ; 6/2), nisarahan’izy mirahalahy. Fihaonana tsy niady satria nanjakan’i Zaka kely tanteraka ary toy ny nanaovany fanazarantena fotsiny.

Sahirana kosa nefa Rakondramanga Antso, vao naharesy an’i Tuki Jacobs, laharana voalohany Namibianina. Tamin’ny seta 2 noho 1, nisarahan’ny roa tonta. Azon’i Antso ny seta voalohany (6/2) saingy nanohitra Tuki Jacobs, teo amin’ny seta faharoa ka lasany izany (6/2) ihany koa. Toa nitaky kosa ny havizanana, ho an’ilay Namibianina, teo amin’ny seta fahatelo ka tsy naharaka ny famezivezena ny baolina nataon’i Antso, ka niondrika tamin’ny lalao (6/3) ilay Namibianina.

Noho io vokatra io, tsy notanterahina intsony ny lalao ho an’olon-droa. Tetsy an-kilany, lavon’i Maraoka, tamin’ny isa 2 noho 0, ihany koa i Bénin.

Araka izany, Madagasikara sy Bénin izany no miatrika ny “Coupe Davis” sokajy faharoa, iarahan’i Afrika sy Eoropa, amin’ny taona ho avy.

 Tompondaka

Hoy izy ireo :

Rajaobelina Tsialiva (filohan’ny FMT): Voalohany aloha, faly satria tafaverina sokajy faharoa indray i Madagasikara ary misaotra ihany koa ny mpilalao nahavita ny fanamby. Hiezaka izahay ato amin’ny federasiona handresy lahatra indray ny federasiona iraisam-pirenena sy ny kaonfederasiona afrikanina, hanaovana ny lalao ho an’ny sokajy faharoa, eto Madagasikara, amin’ny taona ho avy. Antenaiko ihany koa fa hahazoana vokatra tsara ilay tetikasa fampianarana ny tenisy any an-tsekoly.

 

Rakotohasy Jean-Jacques (mpilalao):  Faly ny tenako satria nandresy ary tafita amin’ny sokajy faharoa i Madagasikara. Anisan’ny tombony be dia be ho an’ny Malagasy, ny naha laharana voalohany azy tao amin’ny sokajy “B” ka afaka tamin’i Maraoka. Ankoatra izay, ny filalaovana teto amin’ny kianja efa mahazatra. Ilay famezivezena baolina sy ny “jeu de fond” no nandreseko ilay mpifanandrina tamiko.

 

Tuki Jacobs (mpilalao): Arahabaina ny Malagasy, tafakatra amin’ny sokajy faharoa. Mendrika ny fandresena azon’i Madagasikara fa tsy tongatonga ho azy. Tena mahay ireo mpilalao. Nahazo tombony koa izy ireo, nilalao teto amin’ny kianjany sy ilay toetr’andro, izay nanahirana anay ny niaina azy.

 Nangonin’i Tompondaka


Viewing all articles
Browse latest Browse all 11617

Trending Articles


mayabang Quotes, Torpe Quotes, tanga Quotes


Girasoles para colorear


Tagalog Love Quotes – Nagmamahal


OFW quotes : Pinoy Tagalog Quotes


Long Distance Relationship Tagalog Love Quotes


Tagalog Long Distance Relationship Love Quotes


5 Tagalog Relationship Rules


“BAHAY KUBO HUGOT”


Vimeo 10.7.0 by Vimeo.com, Inc.


Vimeo 10.7.1 by Vimeo.com, Inc.


Break up Quotes Tagalog Love Quote – Broken Hearted Quotes Tagalog


Sapos para colorear


Tagalog Quotes About Crush – Tagalog Love Quotes


Patama Quotes : Tagalog Inspirational Quotes


Tagalog Quotes To Move on and More Love Love Love Quotes


Tropa Quotes


BARKADA TAGALOG QUOTES


Re:Mutton Pies (lleechef)


FORECLOSURE OF REAL ESTATE MORTGAGE


Pokemon para colorear