Quantcast
Channel: NS-Sports – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 11617

Tenisy – Coupe Davis 2016 : hitady ny tapakila hiakarana sokajy faharoa i Madagasikara

$
0
0
????????????????????????????????????

 Fahombiazana aloha hatreto, ny lalaon’ny ekipam-pirenena malagasy, eo amin’ny fiadiana ny “Coupe Davis Afrique”, vondrona fahatelo. Fandresena avokoa no azon’i Madagasikara, tamin’ireo lalao nataony.

 

Ho fantatra anio, na tafakatra ao amin’ny vondrona faharoa ny Malagasy na mijanona ao anatin’ny sokajy fahatelo, eo amin’ny fiadiana ny “Coupe Davis 2016”, taranja tenisy. Mila mandresy an’i Namibia i Madagasikara vao mahazo ny tapakila hiakarana amin’izany, amin’ity asabotsy ity, eo amin’ny lalao manasa-dalana. Fihaonana hotanterahina eny amin’ny kianja Ankatso.

Raha tsiahivina, 100 % aloha, hatreto, ny fahombiazan’ny ekipam-pirenena malagasy, nandritra ny lalao fifanintsanana, tao amin’ny sokajy «B», nisy azy.

Fandresena efatra amin’ireo lalao efatra natrehiny mantsy no azon’i Madagasikara. Vokatra izay mametraka azy eo amin’ny laharana voalohany. Marihina fa mbola nandresy an’i Botsoanà, tamin’ny isa 2 noho 0, indray ny Malagasy, omaly, teo amin’ny lalao farany.

Rasolondrazana Jacob, nanilika an’i Phenyo Matong, tamin’ny seta 2 noho 0 (6/3 ; 6/2). Lavon-dRakotohasy Jean-Jacques (Zaka Kely), tamin’ny seta 2 noho 0, ihany koa i Lefa Ashley Sibanda. 6/0 ; 6/1 ny nisarahan’izy mirahalahy. Tsy niady mihitsy ny lalao satria toy ny nanaovan’ity tompondakan’i Madagasikara ity fanazarantena fotsiny ilay mpifanandrina taminy.

Tsy mbola namelan’i Zaka Kely sy Lucas, ihany koa ny teo amin’ny olon-droa miaraka. Resin’izy mirahalahy, tamin’ny seta 2 noho 0 (6/1 ; 6/1), koa i Aobakwe Lekang sy Bayani Moilwa.

I Maraoka kosa, laharana voalohany tao amin’ny sokajy “A”, hifanehatra amin’i Bénin, faharoa, tao amin’ny vondrona nisy an’i Madagasikara. Miakatra ao amin’ny sokajy faharoa, amin’ny taona 2017, izay firenena roa mandresy amin’ireo vondrona ireo.

 Tompondaka


Viewing all articles
Browse latest Browse all 11617

Trending Articles


Girasoles para colorear


mayabang Quotes, Torpe Quotes, tanga Quotes


Tagalog Quotes About Crush – Tagalog Love Quotes


OFW quotes : Pinoy Tagalog Quotes


Long Distance Relationship Tagalog Love Quotes


Tagalog Quotes To Move on and More Love Love Love Quotes


5 Tagalog Relationship Rules


Best Crush Tagalog Quotes And Sayings 2017


Re:Mutton Pies (lleechef)


FORECLOSURE OF REAL ESTATE MORTGAGE


Sapos para colorear


tagalog love Quotes – Tiwala Quotes


Break up Quotes Tagalog Love Quote – Broken Hearted Quotes Tagalog


Patama Quotes : Tagalog Inspirational Quotes


Pamatay na Banat and Mga Patama Love Quotes


Tagalog Long Distance Relationship Love Quotes


BARKADA TAGALOG QUOTES


“BAHAY KUBO HUGOT”


Vimeo 10.7.0 by Vimeo.com, Inc.


Vimeo 10.7.1 by Vimeo.com, Inc.