
Niteraka resabe ary lasa raharaham-pirenena any Arzantina mihitsy ny filazan’i Lionel Messi, fa tsy hilalao ao amin’ny ekipam-pireneny intsony, ny tenany. Fanambarana izay nataony, ny alahady lasa teo, taorian’ny faharesen’ny Albiceleste nanoloana an’i Chili, nandritra ny Copa America 2016, ka nisian’ny fanakianana sy tsikera mavaivay.
Manoloana izany, tsy manaiky ary nandresy lahatra an’i Messi i Mauricio Macri, filoham-pirenena Arzantin, mba hiverina amin’ny fanapahan-keviny. Niantso an-taroby an’i Messi mihitsy ny tenany tamin’izany, ary niangavy tsy hiala ao anaty ekipam-pirenena. «Miverena ianao ao anaty ekipam-pirenena. Aza mihaino izay fanakianana any, ianao. Omeo ny firenen-tsika ny fahaizanao. Mitrakà ka mahereza», hoy izy.
Ankoatra azy, naneho ny alahelony ary nitalaho tamin’i Messi koa ilay kintan’ny baolina kitra Arzantin, teo aloha Diego Armando Maradona. Nambarany fa «fomban-javatra ny faharesena ary tonga amin’ny ekipa rehetra. Miangavy anao aho, hametraka ny hambompo ka hiverina hanatevina ny ekipam-pirenena. Atreho ny Mondial 2018, ka ataovy ho tompondaka eran-tany ny Albiceleste.
Tsy ireo olona ireo ihany no niangavy an’i Messi, hiverina amin’ny fanapahan-keviny fa ireo mpankafy, amin’ny alalan’ny tambajotra-tserasera sy ireo gazety mpivoaka isan’andro any an-toerana.
Tompondaka