
Nidina nijery ifotony teny amin’ny kianjan’Anosizato, omaly, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, notarihin’ny minisitra Andriamosarisoa Jean-Anicet. Tamin’izany no nilazany tamin’ireo mpilalao rugby fa hamboarina io fotodrafitrasa io mba hanaraka ny fenitra hahazoan’ireo ekipa tena maneho ny fahaizany.
Mba hahatomombana tsara izany, hisy ny fivoriana iarahana amin’ireo tomponandraikitry ny ekipa tsirairay avy, atsy ho atsy, handinihana ny fomba iarahan’ny roa tonta miasa. Nomarihiny fa tsy maintsy tohanana ny taranja rugby satria tsy vitan’ny malaza fa mitondra avo ny lazan’i Madagasikara, any ivelany any.
Notsiahiviny fa afaka iray volana sy tapany, handray ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy 1B, i Madagasikara. Ankoatra izay, nanolotra lelavola 4 tapitrisa Ar ho an’ireo ekipa efatra hiatrika ny famaranana eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny seksiona Antananarivo Renivohitra, sokajy D2 sy D3, ny tenany. Fihaonana, hatao ny alakamisy 5 mey ho avy izao, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka.
Tompondaka