
Hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny fisian’ny “Tournoi d’école”, amin’ny taranja rugby. Fihaonana ho an’ireo kilongakely 17 taona noho midina, izay hatao etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny alahady 1 mey ho avy izao manomboka amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva.
Ankizy mahatratra 1 800 avy amin’ny fikambanana Ecole de rugby, Ecole de la vie (Erev), ny Pachamama Imamba Soavimasoandro, ny XV sympatiques ary ny Edeo Avaradrano ny hifaninana eo amin’ny rugby à VII sy rugby à XII. Hahitana ekipa 30 izany ka ny 27, avy amin’ny Erev avokoa.
Hanatrika ity fihaonana ity ilay Frantsay, André Granerot, izay namorona sy nanangana ny Erev. Ankoatra ny fanazarana sy fampidirana ny ankizy ao anatin’ny taranja rugby, tanjon’ity fifaninanana ity koa ny fampahafantarana sahady ny ho fisian’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can), sokajy 1B, hatao eto Madagasikara ny 12 ka hatramin’ny 19 jona ho avy izao. Eo koa ny fahatsiarovana an-dRakotomanga Marc, mpanabe sady anisan’ireo namorona sy nanangana ny Erev eto Madagasikara. Manampy ny Malagasy rugby avy amin’ny fikarakarana ity “tournoi” ity ny fikambanana Ecole de rugby de Madagasikara any Frantsa.
Tompondaka