Quantcast
Channel: NS-Sports – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 11617

Rugby – «Gold Top 8 Mada» : norombahin’ny FTM Manjakaray ny tompondaka

$
0
0
????????????????????????????????????

 Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara ny FTM Manjakaray (Dakar), teo amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja rugby «Gold Top 8 Mada», sokajy Elite 1 D1. Resiny teo amin’ny famaranana ny Iarivo rugby club (IRC).

 

Voalohany teo amin’ny tantarany ny nahazoan’ny FTM Manjakaray ny tompondakan’i Madagasiakara, eo amin’ny rugby sokajy D1. Resiny tamin’ny isa mazava, 45 noho 23, ny Iarivo rugby club, omaly nandritra ny famaranana, notanterahina teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, izay feno hipoka.

Samy nahatonga baolina nentin-tanana avokoa ny roa tonta. Efatra ny an’ny Manjakaray, izay vitan’i Naty ny telo ary an’i Dapiso ny iray ka ny telo voatsaran’i Mick. Tsy nisy afa-tsy “essai collectif” tokana ny an’ny IRC, izay tsy matin-dRadadatoa.

Nanahirana ny mpilalaon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny nanakana an’i Gervais sy Nati, rehefa mahazo baolina. Nahay nameno ny kianja izy ireo ka nampanano sarotra an-dry Tiana sy ry Toussaint ny namaky azy ireo. Teo am-pialan-tsasatra, efa nitarika tamin’ny isa 28 noho 9 ny Manjakaray. Ankoatra ny amboara, nahazo lelavola 1.500.000 Ar ny FTM Manjakaray.

Voahosotra ho mpilalao nahafaty baolina be indrindra i Mick (FTM), izay nomena amboara sy lelavola 400.000 Ar ary Radadatoa (IRC) ny mpilalao mendrika, nahazo 600.000 Ar avy amin’ny Gold.

Nahazo ny laharana fahatelo ny TFA Anatihazo, rehefa nandresy ny USA Ankadifotsy, tamin’ny isa 22 noho 15. Tompondaka teo amin’ny vehivavy ny SCB Besarety ary ny UIRC kosa ny teo amin’ny Elite 2 D2.

Nanolotra baolina ho an’ireo ekipa nifaninana ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, nanatrika ny fihaonana, omaly.

 Tompondaka


Viewing all articles
Browse latest Browse all 11617

Trending Articles


Girasoles para colorear


mayabang Quotes, Torpe Quotes, tanga Quotes


Tagalog Quotes About Crush – Tagalog Love Quotes


OFW quotes : Pinoy Tagalog Quotes


Long Distance Relationship Tagalog Love Quotes


Tagalog Quotes To Move on and More Love Love Love Quotes


5 Tagalog Relationship Rules


Best Crush Tagalog Quotes And Sayings 2017


Re:Mutton Pies (lleechef)


FORECLOSURE OF REAL ESTATE MORTGAGE


Sapos para colorear


tagalog love Quotes – Tiwala Quotes


Break up Quotes Tagalog Love Quote – Broken Hearted Quotes Tagalog


Patama Quotes : Tagalog Inspirational Quotes


Pamatay na Banat and Mga Patama Love Quotes


Tagalog Long Distance Relationship Love Quotes


BARKADA TAGALOG QUOTES


“BAHAY KUBO HUGOT”


Vimeo 10.7.0 by Vimeo.com, Inc.


Vimeo 10.7.1 by Vimeo.com, Inc.