
Natolotry ny filoham-pirenena tamin’ny fomba ôfisialy ny mponin’ny 67 ha Avaratra Andrefana ny fotodrafitrasa manara-penitra, “Kianja Firaisankina”. Ahitana kianja basikety sy kianja filalaovana tsipy kanetibe ary efitrano famakiam-boky sy toeram-pilalaovana ho an’ny ankizy izany.
Fitokanana nanetriketrika. Notokanana tamin’ny fomba ôfisialy, omaly, ny “Kianja Firaisankina” eny 67 ha Avaratra Andrefana, Secteur I. Ny filohan’ny Repoblika, Rajaonarimampianina Hery mivady, mihitsy no tonga nitokana ity fotodrafitrasa marolafy (complexe sportif) ahitana kianja-na basikety tsipy kanetibe ary kianja filalaovana tsipy kanetibe. Tsy vitan’izay ihany fa mbola misy trano famakiam-boky eny an-toerana ka efa misy boky miisa 1.500 ao aminy miampy ordinatera maro sy televiziona miaraka amin’ny famandrihana Canalsat.
Araka izany, nahazo kianja manara-penitra azo hilalaovana sy hifaninanana tsara iny faritry ny 67 ha iny. Raha ny nambaran’ny filoham-pirenena tamin’ny lahateniny mantsy, anisan’ny nosafidina manokana io anarana “Kianja Firaisankina” io satria ny hampiray ny vahoaka malagasy, indrindra ny tanora izay fanoitra lehibe amin’ny hoavin’ny firenena, no tanjon’ny fitondram-panjakana.
Notsindrin’ny filoham-pirenena, Rajaonarimampianina Hery, fa fanombohana ihany ny fananganana fotodrafitrasa ara-panatanjahantena eny amin’ny 67 ha fa mbola hitohy izany. Araka izany, nambarany fa hisy ary hanana kianja manara-penitra toy ny “Kianja Firaisankina” amin’ireo boriborintany enina eto an-dRenivohitra. “Hanomboka ato ho ato ny asa mahakasika izany ary isam-bolana hisy kianja mitsangana”, hoy hatrany izy.
Ankoatra izay, raha ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny basikety (FMBB), Ramaroson Jean Michel indray, tafiditra indrindra amin’ny vinavinan’asa hiarahana amin’ny International Basket Foundation na IBF sy ny federasiona iraisam-pirenena amin’ny fampiroboroboana ny taranja basikety ny fananganana fotodrafitrasa.
Etsy andaniny, manodidina ny 100 tapitrisa Ar kosa ny totalim-bidin’ny fananganana ny “Kianja Firaisankina”. Hitohy ny asa fananganana kianja eo amin’ny taranja basikety.
Miary Narindra