
Feno 30 taona ny “Rugby Afrique” na ny Kaonfederasiona afrikanina rugby teo aloha. Ny 6 ka hatramin’ny 8 avrily izao no hanamarihana izany tsingerintaona izany, izay hatao any Marrakech, Maraoka. Mandritra izany fankalazana izany, hisy seminera lehibe hotronin’i Bernard Lapasset, filohan’ny World Rugby sy Abdelaziz Bougja, filohan’ny Rugby Afrique sy Oregan Hoskins, filohan’ny federasion’ny rugby ao Afrika Atsimo ary ireo filohana federasiona samihafa.
Lohahevitra maro no hodinihina mandritra io fihaonana io, toy ny andraikitry ny vehivavy sy ny asan’ny mpanao gazety amin’ny fanapariahana ireo lalao goavana, eo amin’ny rugby. Anisan’ny tena resahina betsaka amin’izany koa ny ho fandraisan’i Afrika anjara, amin’ny lalao Olympika 2016 (JO), hatao any Brezila, eo amin’ny rugby à 7, lahy sy vavy.
Ankoatra izay, handray lalao iraisam-pirenena i Madagasikara, ny 4 – 9 avrily ho avy izao : ny “Tournoi de rugby mixte inter ocean Indien”. Fihaonana izay hatao eny amn’ny lycée Français de Tananarive.
Handray anjara amin’izany, i Madagasikara, Afrika Atsimo, Kenya, Maorisy, Mozambika, Mayotte ary La Réunion. Natokana ho an’ireo ankizy U13 sy U19 ny lalao. Ray mpiahy ity “tournoi” ity i Jean-François Tordo, kapitenin’ny ekipan’ny XV de France, teo aloha. “Miray hina eo ambony kianja sy eny ivelany”, ny teny filamatra entina mandritra ny fihaonana. Ankoatra izay, hanao asa fanasoavana ireo delegasiona rehetra ka hametraka toerana fototra hitsanganan’ny saina, eny amin’ny Pachamama, fikambanan’i Jean-François Tordo. Hisy koa fitsidihana ireo faritra manodidina an’Ambatobe. Hanao ny fanadihadiana sy hitsara ny lalao ireo mpianatra ao amin’ny lycée Français, izay efa nahazo fiofanana.
Tompondaka