
Nifarana, ny asabotsy lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, teo amin’ny taranja judo. Voahaja ny lôjika satria mbola manjaka tokana ireo mpikatroka efa manana ny lazany.
Fihaonana nandrasan’ny rehetra, nandritra ny fifaninanam-pirenena, teo amin’ny taranja judo, ny fihaonana teo amin’ireo mpikatroka, mpila ravinahitra sy ireo mpilalao avy eto an-toerana. Anisan’izany ny teo amin’ny lehilahy, izay nisy an-dRatsimiziva Fetra, eo amin’ny sokajy – 81 kg. Tsy mbola teraka aloha ny olona handimby azy, hatreto, satria tsy nahatohitra azy Rasoanaivo Razafy Luc, avy amin’ny JSM.
Hita fa manana ny fahaiza-manao, ara-teknika sy taktika, i Fetra, teo amin’ny adin’izy mirahalahy. Mbola voatazon’i Fetra indray izany ny anarana maha tompondakan’i Madagasikara azy, eo amin’io sokajy io.
Tsy tonga kosa i Asaramanitra, teo amin’ny vehivavy. Na izany aza, ady tena nisongadina koa ary tena nahaliana sy nampihorakoraka ny rehetra ny teo amin’ny sokajy – 57 kg, nifanandrinan’ Andriamifehy Mihanta, avy amin’ny Esca, sy Andriantiana Brenda Valery, avy amin’ny JSM. Lavon’i Mihanta anisa i Brenda. Marihina fa samy mpilalao ao anaty ekipam-pirenena avokoa izy mirahavavy ary samy efa niaro ny voninahi-pirenena, tamin’ireo fihaonana tany ivelany.
Teo amin’ny sokajy mavesatra, – 78 kg, voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara Ramiandrisoa Haingoniaina, avy amin’ny JCI. Andriambeloniaina Felaniaina, mpikatroka avy amin’ny JCB, kosa ny nahazo ny medaly volamena, teo amin’ny – 70 kg.
Ho an’ny lehilahy, samy nalain’ireo mpikatroka avy amn’ny JSM avokoa ny fandresena, teo amin’ny – 100 kg, izay norombahin-dRajemisa Tojo Gael sy Rakotomanga Andriamalagasy, ny teo amin’ny – 90 kg.
Nahazo ny laharana voalohany, teo amin’ny “senior” sy ny “junior”, ny JSM. Ny CCS kosa ny teo amin’ny “cadet” ary ny ASC, ho an’ny “minime”.
Tsiahivina fa nahatratra 470 ireo mpikatroka nandray anjara tamin’ity, izay avy amin’ny ligim-paritra 13.
Tompondaka